permalien Mananasiiiiiiiii

Rédigé le Jeu 15 Mar, 2007 21:20:50 Ajouter un commentaire






permalien Andrakandran-tsary

Rédigé le Jeu 15 Mar, 2007 15:03:25 Ajouter un commentaire
borety   tuiles   korontana

kibo!

prunier

permalien Tokony mba ...

Rédigé le Ven 09 Mar, 2007 01:27:59 Ajouter un commentaire

Tokony mba ...

mandeha matory amin'izay fa efa alina ny andro e!

Sa ahoana? Pfff ... kamo be, hitsivalana irery ambonin'ity fandriana. Handinika plafond aloha izany izao no paika.

Rehefa avy nihodikodina teto amin'ny Internet, tsy dia nitondra soa firy fa ny vody foana no mongo, ny lamosina no marary, ny maso nivadika mena (ôrera). Indrindra fa nandeha nilomano androany hariva dia tena bongobongo tsara mihitsy. Tsy dia nahavita longueurs firy fa ankisisika be tary amin'ny Piscine, ny rafotsy milona be, moa ny sasany mihevitra ny tenany ho trondro ka midépasse ŕ gauche, midépasse ŕ droite, tsy mahalala code de la nage. Shhh dia naleoko nivoaka niroboka irery anatin'ilay Jacuzzi-an'ny Fivondronana (municipal e!). Ela ny ela, leo ihany aho fa toa tsisy atao akory koa anatin'ilay Jacuzzi ankoatry mipetraka. Tant pis izany fa dia aleo maka douche dia mody.

Fa nony naka douche kosa, aoka fotsiny fa 20 minitra aho tao ihany. Ah!  Manja be ilay rano mafana!

Nahafinaritra iny harivariva iny!

Aouh hay efa Zoma 9 marsa izao, afaka 20 andro dia lasa izao! Ny billets aloha mandrak'ity ny androany mbola tsy voaray fa hoe alefan'i Air Mad paositra hono!!!

Tokony mba manomboka mieritreritra ny entana hoentina amin'izay koa angamba, ny voan-dalana, ny lisitry ny fianakam's. Valise aza moa tsisy, f'izaho koa no toa be revin-gadra.

Hum... ndeha hatory amin'izay fa izao vao tena vizana ny maso.

Tafandria mandry daholo


permalien May toy ny boka hanambady!

Rédigé le Jeu 08 Fév, 2007 11:24:37 Ajouter un commentaire
An an an efa manambady, soa ihany! Sao lazain'ny sasany fa boka eo tokoa!!! Loza.

May ny endim-boanjoko e! Fa hoe hody hono afaka 1 volana sy tapany eo ho eo. Lavitra akaiky, izaho efa tsy mahandry, raha afaka hafainganina ny fotoana tena lafatra!

Efa TE hanamboatra entana sahady, hanesika ny voan-dŕlana sy ny firomazy masiso ho an'i Dada. Hitaingina fiara-manidina.

Saingy hafa dia hafa amin'ity indray mitoraka ity. Tsy handeha irery aho, sambany! Fa hiaraka amin'ity vady malala. Eny hoy aho e! Handeha fiaran-dalamby izahay hatrany Marseille, vao mangiran-dratsy dia miala ato an-trano. Dia avy eo manenjika "Navette" mankany @ Seranana. Dia roso amin'izay ny dia ho eny Ivato.

Dray dray dray, midoboka mafy ny foko vao maka sary an-tsaina fotsiny. Ah ... maniditsidina, mitsingevangevana ambony rahona. Maika hahita an-dry Dada sy ry Bebe ery Ivato, mitsikilo avy ery ambony lavarangana na etsy amin'ilay fitaratra be.

Toy ny mahazatra, tsy ho ampy ny rora satria be ny hotantaraina mandra-pahatonga ery @ ndry Komoriana, hividy mokary au coco atao sakafo maraina!

Nofinofy, revin-gadra, enga anie ka ho tody any soa aman-tsara. Ohatry ny hitako ery ry zareo ao an-trano sy ry cousines kely, mivanitikitika, menamenatra mahita an-drangahy! Leiry amin'io mety efa mivara-mena, sendran'izay tanŕna tsy fantatra ...

Tantaraiko miadana eo ihany ny fandehan'ny fiomŕnana e!



permalien Te ...

Rédigé le Jeu 08 Fév, 2007 11:09:44 Ajouter un commentaire
Elaela tsy nirediredy, tsy nanoratra ka mba te ...
Taitaitra teo dia ndao ary hoe jerena izay hoavoakany!